🚗✈️ Mbay Lalana 🧳🌺 - Laissez passer.
🛩️ *Quels moyens de transport privilégier pour explorer les trésors de cette île envoûtante? Découvrez les astuces et conseils pour un voyage inoubliable à travers ses paysages captivants.
EDITO : Voankazo an’Ala
TOTO…AFO !
Totoafo ara-bakiteny ny tranga misy manerana ny firenena ankehitriny. Afo atsy, afo aroa. Trano may. Tanety sy ala may…Dorotanety tany amin’ny faritra atsimo. Nirehitra ny ala arovana tamin’iny faritra atsimo atsinanana iny. May ny trano fonenan’ny mpianatra eny amin’ny oniversite Andrainjato ao Fianarantsoa.
Teto Andrenivohitra, tao ampovoan-tanàna, ny marimarina kokoa teo Analakely, nirehitra ny trano fonenana sady fisakafonana, ary magazay iray. Tsy voatery ho misy fifandraisany ireo sady toerana samy hafa, na fanahy iniana na tsia, saingy mifanarakaraka daholo ireo tranga ireo ary ato anatin’ny vanimpotoana fahavaratra. Matetika dia amin’ny vanimpotoanan’ny maintany no itrangana dorotanety eto amintsika. Saingy any amin’ny firenena any ivelany dia maro ny trangana ala mirehitra na tanety may rehefa ao anatin’ny vanimpotoana maintany sy mafana. Nisy mihitsy ny nilaza fa noho ny fiakaran’ny mari-pana ambony be loatra no anisan’ny miteraka ny firehetan’ny bozaka.
Izay ny amin’iny fa mbola mahakasika ny tontolo iainana ihany fa amin’ny lafin-javatra hafa. Mila ho totoafo ihany koa ireo biby arovana fa indrindra ny sokatra nisy nikasa hanondrana an-tsokosoko. Firifiry akory izao no efa tratra tato ho ato, ary misy tompon’andraikitra ambony no voarohirohy ho miray tsikombakomba amin’izany. Anisan’izany, ohatra, ilay vao tratra farany teo indray teny amin’ny seranampiaramanidina eny Ivato. Toe-javatra mahavaka ny saina ny mahita azy satria mifanindra-dalana indrindra ao anatin’izao fotoana fampodiana eto an-tanindrazana ireo biby sy sokatra nisy nanondrana tany aminy firenena aziatika ireo.
Mandrato
Vendredi 17 Janvier 2025
Fizahantany eto Madagasikara
Mbola misy tonga eto foana ireo vahiny na fahavaratra aza izao
[Na eo aza ny orana sy ny toetrandro dia tsy mampaninona an’ireo vahiny maniry ny hitady zavatra mahaliana (aventures) mbola tsy fahitany izany.]
Tsy mahasakana ireo mpizahatany vahiny akory ny orana. Mbola misy tonga eto Madagasikara foana izy ireo na dia efa ao anatin’ny vanimpotoana fahavaratra azy izao. Tsy vitsy ireo Vazaha manoratra ao amin’ireny tambazotra sôsialy ireny manontany na mitady ireny olona mpiseradia (guide) ireny, izay olona afaka hitaridalana azy amin’ny fitsidihana ataony amin’izay toerana tiany haleha. Mikasika izay ihany dia nisy ny resadresaka nifanaovana tamin’ny mpandraharaha momba ny fandraisam-bahiny, toy izany koa tamin’ny mpitondra olona mikarakara fitsangatsanganana.
Famandrihana
Toy izao ny nambaran’ny « Le Relais du Kirindy » :
« Mbola misy mpizahatany manao famandrihana amin’izao. Fa ilay izy aloha latsaka be raha mitaha amin’ny « haute saison ». Tsy azo ampitoviana mihitsy. Amin’ny « haute saison » feno daholo ny efitrano fandraisam-bahiny. Amin’izao, raha ny salan’isa dia mahita 2 na 3 ny efitrano fandraisam-bahiny misy olona. Misy fotoana misy olona, misy fotoana tsy misy. Ny faran’ny herinandro teo izao, efitrano fandraisam-bahiny miisa 24 no nisy olona. Vahiny daholo ireo olona mamandrika efitrano fandraisam-bahiny ireo. »
Vendredi 17 Janvier 2025
Topimasom-baovao
# Nidina ny vidin’ny solika amin’ireo mpaninjara rehetra manerana ny Nosy. Samy nahitana fidinana na ny vidin’ny lasantsy, na ny gazoala. Manodidina eo amin’ny roanjato ariary eo izay fidinany izay. Tsy nihetsika kosa ny vidin’ny solitany fandrehitra fa mbola nijanona tamin’ny vidiny teo aloha ihany. Nanomboka zoma hifoha sabotsy 18 janoary teo moa no nihatra izay vidin-tsolika vaovao izay. Araka ny fanampim-panazavana dia nisy ny fifandresen-dahatra teo amin’ny fitondrana sy ny mpamatsy vola ary ny mpandaharaha eo amin’ny solika ka nahatongavana amin’izao vidiny izao. Efa tamin’ny taona 2024 moa no efa voateniteny ny momba ny fiakaran’ny vidin-tsolika ary dia tsy niakatra araka ny vinavina izany fa nidina.
# Mbola mitohy ankehitriny ny delestazy na efa mihena sy miha-mahalana kosa izany fa tsy toy ny teo aloha. Voalaza fa vokatry ny firotsahan’ny orana dia efa afaka miodina ny milina famokarana herinaratra mandeha amin’ny alalan’ny tohodrano ka izany no antony mampitombo ny herinaratra vokarin’ny orinasa Jirama fa tsy voatery hiankina be amin’ny herinaratra vokarina amin’ny milina amin’ny alalan’ny solika intsony.
#Tsy mitsahatra ny miakatra ny vidin’ny varifotsy eny an-tsena amin’izao fotoana izao. Nilaza moa ny fitondrana ankehitriny fa hisy indray ny vary amin’ny vidiny mora hamidy. Andrasana ny fahatongavan’io vary io sy ny famarotana izany eny amin’ny tsena.
#Niteraka fahasimban’ny lalana sy fahatapahan’ny fifamoivoizana tamin’ny lalampirenena sasantsasany teto Madagasikara ny takaitra navelan’ ilay rivodoza Dikeledi. Vokatry ny fiakaran’ny rano dia tapaka tamin’izany ny eo amin’ny fivilian-dalana eo Mahavavy sy Ifasy amin’ny lalam-pirenena faha-6 mampitohy an’Antanaanrivo amin’Antsiranana, eo amin’ny PK 537+329 sy PK 568. Marihina fa io fivilian-dalana io dia efa simba teo aloha tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Gamane ary mbola tsy vita.
# Namela takaitra tamin’ireo faritra sasany teto Madagasikara ilay rivodoza Dikeledi. Nisy ireo aina nafoy ary maro ireo olona traboina. Anisan’ny niharam-pahavoazana tamin’izany ny faritra SAVA, Analanjirofo, Diana, ary Boeny.
Nangonin’i Ami Ral
Vendredi 17 Janvier 2025